« Retour au blog de bobi100

mivavao aho D+S

mivavao aho D+S
a,
Hohamasinina anie ny anaranao,
Ho tonga anie ny fanjakanao,
Hotanteraka anie ny sitra-ponao
ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny haninay isan'andro
Avelao ny fahotanay tahaka ny hamelanay izay nanao ratsy taminay.
Aza avelanao ho azon'ny fitaoman-dratsy izahay
Fa manafaha anay amin'ny ratsy.
Fa anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay.
Amen

--------------------------------------------------------------------------------

Arahaba ry Maria
Arahaba ry Maria, feno hasoavana.
Ny Tompo ao aminao.
Nosohavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosohavina ilay hateraky ny kibonao.
Masina Maria Renin'Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota.
Ankehitriny ary amin'ny andro ahafatesanay.
Amen
Voninahitra
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
Tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

--------------------------------------------------------------------------------

Simbolin'ny Apostôly
Izaho mino an'Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra, nahary ny lanitra sy ny tany.
Izaho mino an'i Jesoa Kristy, Zanany tokana Tompontsika;
noforonin'ny Fanahy Masina, naterak'i Maria Virjiny;
nijaly faha-Pôntsy Pilaty, nofantsihana tamin'ny hazofijaliana, maty dia nalevina;
nidina tany ambanin'ny tany;
nitsangan-ko velona tamin'ny andro fahatelo;
niakatra any an-danitra,
nipetraka eo ankavanan'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra,
avy any izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty.
Izaho mino ny Fanahy Masina, ny Eglizy masina katôlika, ny fiombonan'ny Olomasina, ny fanalana ny ota, ny hitsanganan'ny vatantsika ho velona, ary ny fiainana mandrakizay. Amen.

--------------------------------------------------------------------------------

Finoana
Andriamanitra, izaho mino mafy ny teny rehetra inoan'ny Eglizy Masina Katôlika Romanina sy ampianariny anay, fa ianao no nanambara izany taminy.

--------------------------------------------------------------------------------

Fanantenana
Andriamanitra izaho miankina amin'ny teninao sy amin'ny soa nataon'i Jesoa Kristy, ka manantena ny fitahianao ety an-tany sy ny fahafinaretana any an-danitra aho, raha manaraka ny didinao.

--------------------------------------------------------------------------------

Fitiavana
Andriamanitra, izaho tia anao amin'ny foko rehetra, ambonin'ny zavatra rehetra, satria tsara indrindra ianao ka tokony ho tiana indrindra; izaho tia ny namako tahaka ny tenako noho ny fitiavako anao.

--------------------------------------------------------------------------------

Fanenenana
Andriamanitra Tompoko, malahelo mafy amin'ny ratsy nataoko taminao aho, satria ianao tsara indrindra ka tokony ho tiana indrindra, ary ianao tsy tia ny ratsy; manam-po tsy hanao ratsy aminao intsony aho ary hanao asa fivalozana ny fitahianao ahy.

--------------------------------------------------------------------------------

Vavaka ao anaty tahiry : 8

--------------------------------------------------------------------------------
Fitadiavana Vavaka
Lohatenim-bavavaka

--------------------------------------------------------------------------------

# Posté le dimanche 28 août 2005 08:09

Modifié le lundi 27 février 2006 09:49

« Article précédent : l'epouse de DIEU ou du che guevara peu...

Article suivant : Amiraly be ANDRIANNETRAFAZY s/c pére Allibert... »